
FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA : HIROSO TSY HO ELA AMIN’NY FAMPIASANA IREO DRONE FAMBOLEN-KAZO NY MEDD
Telo taona izay no nanombohana ny tetikasa « Drones pour la conservation de la biodiversité » izay iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Durrell Wildlife Conservation Trust, ny Madagascar National Parks ary ny ary ny Université Liverpool John Moore’s namolavola.
Nanomboka ny volana novambra 2021 dia nanatanteraka andrana ara-teknika tamin’ny fambolena ala honko tamin’ireto drone ireto tany amin’ny Faritra Boeny ny Ministeran’ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mahavelombolo tokoa ny taham-pahombiazana tamin’ireo andrana vita satria dia tafakatra hatrany amin’ny 65% n’ireo voa nafafy no naniry.
I Madagasikara dia anisan’ireo firenena voalohany maneran-tany hampiharana ny fambolen-kazo faobe amin’ny alalan’ny drone ary tsy hijanona amin’ny fambolen-kazo ihany izany fa ho ampiasaina ihany koa ireo drone ireo amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka ireo hazo novolena.
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ireo manam-pahaizana malagasy sy anglisy izay tonga nizara traikefa eto amintsika dia ho ampiasaina tsy ho ela amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalana ny harena voajanahary ihany koa ireto drone ireto.
Notontosaina androany ny atrikasa « Les drones pour la conservation de la biodiversité » nizarana ny tombotsoa azo amin’ny fampiasana ny drone amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny karazanjavamananaina izay niarahana tamin’ny MEDD, ireo manam-pahaizana malagasy sy anglisy ary ireo mpiara-miombon’antoka.
#MadagasikaraRakotraAla#Velirano10
#dronespourlaconservationdelabiodiversité
#MEDD#durrell#LiverpoolJohnMooresUniversity#MadagascarNationalParks









