Fandrakofana ala an’i madagasikara : hiroso tsy ho ela amin’ny fampiasana ireo drone fambolen-kazo ny medd
▶️Telo taona izay no nanombohana ny tetikasa « Drones pour la conservation de la biodiversité » izay iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Durrell Wildlife Conservation Trust, ny Madagascar National Parks ary ny ary ny Université Liverpool John Moore’s namolavola.
▶️Nanomboka ny volana novambra 2021 dia nanatanteraka andrana ara-teknika tamin’ny fambolena ala honko tamin’ireto drone ireto tany amin’ny Faritra Boeny ny Ministeran’ny tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Mahavelombolo tokoa ny taham-pahombiazana tamin’ireo andrana vita satria dia tafakatra hatrany amin’ny 65% n’ireo voa nafafy no naniry.
🌎 I Madagasikara dia anisan’ireo firenena voalohany maneran-tany hampiharana ny fambolen-kazo faobe amin’ny alalan’ny drone ary tsy hijanona amin’ny fambolen-kazo ihany izany fa ho ampiasaina ihany koa ireo drone ireo amin’ny fanaraha-maso sy ny fanaovana tomban’ezaka ireo hazo novolena.
👉Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ireo manam-pahaizana malagasy sy anglisy izay tonga nizara traikefa eto amintsika dia ho ampiasaina tsy ho ela amin’ny ady amin’ny doro tanety sy ny ady amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalana ny harena voajanahary ihany koa ireto drone ireto.
✅️Notontosaina androany ny atrikasa « Les drones pour la conservation de la biodiversité » nizarana ny tombotsoa azo amin’ny fampiasana ny drone amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny karazanjavamananaina izay niarahana tamin’ny MEDD, ireo manam-pahaizana malagasy sy anglisy ary ireo mpiara-miombon’antoka.